TEROLF.com – TILL.EXE – TOLIMANA – Livatina …
Tsy haiko aloha raha efa henonareo ireo fa androany nisy olona nitaraina tamiko hoe misy virus hono ny DVD novidiny.
Nividy ilay DVD misy film Divx 6 na Episode Serie ireny ilay olona. Nalefany amin'ny lecteur DVD tao aminy dia tsy nandeha fa hay tsy lecteur Divx ilay izy. Nandramany nalefa tamin'ny pc hono dia taitra be izy fa misy message hoe "Pirate NO" dia avy eo maty ilay pc-ny.
Nomeny ahy ilay DVD dia hozizy hoe mba jereo kely hoe.
Rehefa nataoko tamin'ny pc-ko dia maromaro ny zavatra hitako tao ka ireto ary izany: Sarin'i TILL.EXE
Nandramako nalefa dia misy message "pirate NO" dia maty ilay pc avy eo (apres 10sec eo)
Naveriko nalefa le pc dia tsy misy zavatra simba klo e – tsy misy bouton manjavona na tsy hita – nojereko ny "base de registre" fa tsy misy zavatra niova.
Fanontaniana mipetraka:
Logiciel anti-piratage hono io. Nefa ve ireo Divx ao anatin'ilay DVD mba original tokoa?
TOLIMANA ve no manaparitaka ireny DVD amidy mora eny antsena ireny?
Iza moa i Livatina?
Raha tehijery ireo capture d'ecran nataoko ianao dia ato: Capture d'ecran TILL.EXE
ZZZZZZZZ writes:
Kaiza ry bainah!’Zay l’ty tsy miraharaha an’izay fika ataon-dry zalahy amin’ny protection amin’ny DVD na CD-ny ah! Linux ny anay no miasa, tsy misy virus Windows tafiditra izany.Ny marina mantsy dia Windows foana no cyble. ‘Zay tsy mba tratra mihitsy! 🙁
Zindowz writes:
Windows no cible fa Shift fotsiny no tsindriko elaela dia byebye ra-TILL eeVendrana be ilay protection e
danni writes:c’est genial