Malagasy

Raha mba nijery ity site ity za androany dia somary sorena kely mahita le hoe "malgache".

Tsy haiko aloha nareo raha miombon-kevitra amiko fa tsy tokony ho io no fanoratra ny fiantso antsika fa tokony hoe Malagasy foana na teny gasy na teny frantsay na teny anglisy na teny inona.
Raha ny fahalalako azy aza dia tokony hoe "gasy" fotsiny no izy fa nony tonga ireo mpanjanaka vao lasa an'io teny frantsay izay ohatra mifono hevitra ratsy io (Mal – gache).

Raha za manokana aloha dia na inona na inona zavatra ataoko ka tokony hanoratra ny anaran'i mponin'i Madagascar aho dia "MALAGASY" hatrany no hanoratako azy.
Fa tena tsy tiko ary tsy mety amiko ilay hoe malgache.

Ka manentana ireo zay mpanoratra ao amin'ny wikipedia malagasy mba tsy hanova ireo teny hafahafa ireo fa manaratsy antsika ilay izy.

Sa ahoana hoy ianareo?

3 Replies to “Malagasy”

  1. DotMG writes:Izaho indray dia manana hevitra mifanipaka tanteraka amin’izay. Rehefa Malgache no mba tian’ny Frantsay anononana ny antsika amin’ny fiteniny, zony izay. Dia rehefa mampiasa ny fiteniny isika dia lasa manisy vary amin’anana ny teniny raha manao hoe le Malagasy fa tsy hoe la Malgache.Isika izao ohatra, miantso ny Frantsay dia manao hoe Frantsay fa tsy hoe Français, izay tsy hain’ny abidintsika rahateo ny manoratra azy. Raha hiantso ny mponina ao Thaïlande dia ataontsika hoe Thailandey fa tsy hoe ThaÏ toy ny any amin’ny tany hafa.Ity misy resako talohaloha manazava lavalava kokoa izay fomba fijeriko izay : http://dotmg.net/what-if/2010/04/27/no-matter-what-they-call-us/

  2. DOTMG >>> ny tsy itiavako le izy aloha dia tsy teny gasy io raha ny fahalalako azy fa noforon’ny frantsay dia nagasina amin’ny teny gasy hoe MalagasyRaha ny fahalalako azy dia tokony hoe “gasy” fotsiny no izy fa ny frantsay no namorona io hoe “malgache” io dia nataon’ny gasy hoe “malagasy”ny “francais” lasa hoe “frantsay” ange fanagasiana satria tsisy an’io ny teny gasy edia maninona ny “gasy” no namoronan’ny hoe “malgache” fa tsy natao fotsiny hoe “gasse” na hoe “gache” (ratsy be sady tonga de tratra ilay fanaratsiana loll) ??

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *