Nampiomehy rehefa nitondra fiara na moto voalohany

Misy sujet iray mahafinaritra ahy izay tao amin'ny forum humour an'i moov ka atambatro ato daholo ny anjarako nalefako tany fa fahatsiarovana nampiomehy ahy daholo ilay izy

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 24 août 2010 – 10:49

lolll… tena efa nandalovana daolo le izy fa le tsemboka am'andro mangatsika no tena mahalatsaka ny mamaky le izy … tonga de tadidiko be le experience tam'tômabil-ko 1° lolll

fa ny tadidiko koa le tam'nanao pratique auto-ecole 1° … tam'zany efa tsy andry zay hanaovana le izy fa maika be, de vao nahazo volant de maika ny hanitsaka accelerateur loll

fa ny remarqué-ko de zao: ny ol rehetra niaraka nanao pratique tamiko zany matahotra manitsaka accelerateur (sao mihoatra le 30km/h de bedin'le moniteur loll) de le moniteur no manitsaka le accelerateur fa ry zareo zara raha manitsaka
de nony tonga ny tour-ko de za tonga de tehanitsaka mafy le accelerateur fôna zany fa le moniteur ndray no misintona le accelerateur am'tongony mba tsy handeha mafy le tomabil sady hoziz lery mantsy ahy: enao tena mauvais exemple am'mpianatra mihitsy annn … lolll… taty aorina de refa za no manao pratique de na manao farany (efa nahavita daolo ny ol rehetra de tsisy ol miandry tout tsony ao aorina) na za atao am'le heure tsy be kil ny pratique lolll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx …

Par: bainah
Date: 24 août 2010 – 11:09

ny ahy ndray ny tena nampangovitra ny lohaliko 1° de za saika nanao accident 1°
niditra virage aveugle za de tsy hitako mihitsy we misy camion avy any aloha – en plus le camion no interieur fa za exterieur de nefa le coté droite hantsana be – fa nanao coup de volant za niala le camion de saika tonga de any ankady fa vao afaka avy eo de nijanona de nidina ny tômabil de nijerijery ny manodidina sady naka saina tsara … teo de nangovitra wazy le lohalika we saika ratsy iny an… niandry teo naka saina klo 30 min vao nitondra indray … fa aveo de tena mandady tanteraka lolll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 26 août 2010 – 10:42

fa ny tena tsy azoko de ity: manin ny sipa refa manao auto-ecole de le mandroso be eo am'le volant mijery le lohan'le tômabil tsy hidona??? lollll

remarque hitako matetika (80% ny efa hitako) fa ny sipa refa avy manao auto-ecole ka mitondra tomabil rery am'zay de manao an'io pôzy io: mandroso be sady mifikitra be am'le volant de mijery be ny lohan'le tômabil lollll
fa refa izy apres 2 na 3 mois vao mba mipetraka tsara miankina sy maka milam

Par: norosoa
Date: 26 août 2010 – 15:11

bainah,ka ny antony amiko manokana alo de ôtrany oe afaka kel ny tahotra @ le mifikitra eo @ volant.

Par: blompy
Date: 26 août 2010 – 15:29

izy sy ny volant zany no mba équipe iray hisedra ny junglen'ny circulation
iny no tokiny

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 27 août 2010 – 14:39

ary nareo ve efa mba sendra le misy blem tampoka eny andalana le tomabil (maty wazy ohatra na tsy mety velona tampoka) … de ny reflexe 1° dia "mamono auto-radio" lolll

misy mpiakama zahay tafaresaka indray mandeha fa tena io daolo ny reflexe itovizana vao misy blem tampoka ny tômabil: mamono auto-radio de mieritreritra mangina we inn no antony lolll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 31 août 2010 – 09:07

loll biriky

za ndray indray mandeha zay nanao entretien tômabil de refa vita de niaraka tam'le mecano we ndao ary atao essai le izy… ny blem tam'zay ohatra mora mi-chauffe le moteur refa entina elaela de maty hoazy le izy de mila miandry mangatsitsika kely aloha vao velona indray
de lasa nanao essai zany fa tena tsy naninn tsony le tômabil … ndao am'zay ary hody
andeha hody am'zay de tratran'ny embouteillage teo am'fekarana andranomena… tena zany ny we zara raha mikisaka… hay handalo ra8 (hoany Ivato) de liberé-n'le gendarme malalaka tsara ny coté ilany de lasa mikatso be ny coté ilany
teo am'le fekarana eo akaikin'le mpivarotra vonikazo ary no maty tampoka le tômabil… nosotomina ny frein a main klo de no-demarré-na fa eeee… efa manomboka mi-klaxon ny ao aorina nefa le izy fekarana de sarotra be ny hanosika le tômabil haka sisiny sady tsisy bandy mandalo mba afaka antsoina hanosika … fa teo teo teo novelomina fa eee… hoziz le mecano we asio feu de detresse de avelao hangatsika klo … fa 10 sec après heno ny sirene motard an'i Ra8 avy any am'digue … fa tonga de nikoropaka be za sy le mecano we maty eto tsika raha mibahana cortege presidentiel an …fa tonga de ohatr'loharano ny hatsembohako lety e lollll… nivôka le mecano de we sokafosokafo le capot … fa tena tsy haiko zay nokitihan'lery tao fa vao novelomina ndray de velona … tonga de naka sisiny haingana klo … fa za mahazo place am'sisiny no mandalo ny cortege avec le bandy ao aorina mitondra bazooka lolll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 06 septembre 2010 – 11:24

ary le refa mitondra am'lalana mbola tsy faleha de misy lavaka be ampovoany dia enao zany mihevitra we hisabakana le izy hay le izy ngezabe le lavaka de vao maika mitotona tsara ao le lohan'le tômabil

taloha kely teo le lalana makany Ambohijanaka avy eo am'by-pass mbola feno lavadavaka be … de za refa mandeha any de we mi-slalom miala le lavaka zany de raha tena ampovoany le lavaka de sabakana … hay nisy 1 lavabe de nihevitra hisabaka le izy fa tonga de kdouuu be nitotona mafy tsara le lohan'le tômabil lolll … lagy be daolo ny tao anaty tômabil we nareo ve tsy mijery eee

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 06 septembre 2010 – 14:31

za refa mitondra le moto-ko misy vitesse de tsy maintsy mijery fôna le cadran eo aloha we firy no affiché fa tsy mety tadidiko we efa 3° zao na 5° lolll

mba miezaka tsy hijery cadran za fa tena tsy mety eee… le moto koa mantsy tsy ohatra ny am'tômabil we mandroso gauche ny 1° de mihemotra gauche ny 2° de mandroso mahitsy 3° sns… fa ny am'moto de miakatra miakatra fôna refa mampiakatra vitesse de mampidina fotsiny refa manidina vitesse de tsy maintsy mijery cadran fôna we firy zao lollll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 06 septembre 2010 – 17:08

za koa taloha tena tsy tia maizina le moto reny … refa mahita le mizesta mandeha mafy de enjehiko am'tômabil de gafiko bahanana ny lalana lolll

fa taty aorina za nividy scooter de nahazo fiany tam'le 2 roues de nividy lehibebe misy vitesse ndray

refa avy ny orana na miaraka am'fianakaviana vao mitondra fiara fa raha vao za rery de aleoko miridana am'moto lollll
fa hafa mihitsy le sensation mitondra moto eee… raha mitondra fiara une semaine enao fa vao mitondra moto ndray fa tonga de heno be le sensation de liberté (cheveux aux vents loll )

fa tam'le nividy le moto kosa aloha an … lolll, tantara be ny nitondrana le izy avy any am'magasin mandrapahatonga any atrano
sabotsy ny andro tam'zay… ny tena zay vao mba hitondra zany moto misy vitesse zany … ny andro am'io embouteillage be le am'11h30 lollll… fa de tena we efa nialana vola ity fa tsy maintsy atao zay atongavan'ty any atrano fa de lasa zao eee… ny hatsemboako ngamba raha nangonona fa feno ny koveta be 1
tongasoa tany atrano ihany klo tam'zay e

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 08 septembre 2010 – 14:51

fa ny tena misen am'le moto vaovao de zao koa:
misy le coupe courant zany eo am'guidon droite ambony ny demarreur… ka io zany refa en cas d'alerte we mitrifana tampoka le moto na tsy maitrisé sns de io fotsiny no piana de tonga de maty le moto satria tsisy courant mandeha tsony
de izy io zany azo atao style anti-vol satria matetika ny olona tsy mieritreritra azy io … refa mijanona qlqpart enao am'le moto de piana fôna le coupe courant am'zay raha misy mangalatra le moto ka we velomina kick ohatra de raha vao tsy miala le coupe courant de tsy velona mihitsy le moto… de nataoko habitude mihitsy we vao mijanona de piana ny coupe courant

une fois za tany am'le rangah zay naka taratasy … de nijanona de nopiako le coupe courant… de hitan'le rangah teo am'varavarakeliny zany le moto-ko de hoziz we: tsara tarehy sns … de faly ery ny tena we milay le moto de be zesta be tam'handeha satria le rangah mijery ahy teo ambaravarakely
adinoko ary nanala le coupe courant fa maika ny hizesta am'le feon'le moto mba hohenon'le rangah lollll… natsofoka ny lakilé de novelomina demarreur fa tsy nety … nandramana in2 in3 fa eeee… mitsefotra fotsiny lery fa tsy mety velona … de neveriko fa noyé le bougie … nidina kely mihitsy klo za de nojereko daolo: misokatra tsara ny pompe essence – mipetaka tsara ny bougie sns … naverina novelomina fa eeeee…. nidina mihitsy le rangah we hanampy ahy: fa misy inn? moto vaovao ve de sarotra velomina kle? simba sahady? … fa boda ny lohako we simba sahady ve nefa vao 2 semaines lolllll
asio starter klo, hoziz le rangah … nasina starter de novelomina fa eeee… de hoziz le rangah we: tena noyé ngamba le bougie fa aleo akako clé bougie any atrano (le rangah mantsy manana garage de manana fitaovana bdb) … za am'io efa kivy be we tena nividy sakabeloha za kle lollll
tonga avy any le rangah avec clé-bougie fa kivy be za we hosokafana kitikitihina sahady le moto lolll… andraso kely aloha wa, mantsy le rangah… nanao check-list speed be za we mipetaka tsara daolo ve sns … teo vao hitako we: adinoko le coupe courant fa vao nesorina le izy tonga de velona le moto

fa nijery tam'net za fa matetika hono "erreur de debutant" am'moto le manadino coupe courant lolll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 09 septembre 2010 – 10:33

za vao haingana ( 6mois teo ho eo) no nanao examen permis indray
efa manana permis B za zany de tokony manao extension permis C sy D satria hono raha mitondra 4×4 tokony mila permis D de tonga de hoziz za we aleo ataoko complet zany ny ahy fa alaiko koa ny permis D sy A (D le camion de A le moto satria za tsisy permis moto akoriny nefa mitondra moto loll)

misy auto-ecole fantatro zany de tsy mila we mianatra elabe za fa we refa vonona hoziz le olona de mitenena de manao exam tsika… de hoziz za we aleo tonga de am'talata zany … satria zoma za no tao am'le auto-ecole de kamo za ny hiandry ela de tonga de raiketo talata wa

tonga ny andron'ny exam: permis A (moto) sy permis C (camion) ary permis D (4×4) no hatao
exam 1°: permis A … teo antokotany centre immatriculation Tsimbazaza no natao le izy … miala avy aty ambony de midina ery ambany de miodina de miverina miakatra indray … tsy mahazo mametraka tongotra am'tany
moto-ko moa no nentiko ve de tsy hovitako zany lolll… sa mba tsy hanimba passeport de nandeha miadana tsara … nidina de niodina de niverina de vita … de hoziz le examinateur… fa ingah ngah tsy mahay mitondra moto no mandeha miadana be ohatr'zany sady tsy manova vitesse mihitsy (ka 2° sy 3° fotsiny no nolalaiviko) ???… averiko ve zany hoziz za… avereno ary (sady lery manatena we hametraka tongotra za raha mandeha mafy) … ni-ronfle be za de nandeha mafy nidina de niodina tampoka de niverina mafy de nijanona devant an'lery sady nataoko le style manao trial reny refa tonga (mitsangana eo ambony moto loll) de hoziz za we: afapo??? lollll… ôk'zay hoziz lery
exam 2°: permis C sy D … be olona be nanao exam tam'le camion de naka mini-bus mazda ry lerony … de tonga de we exam 1 ihany no hatao satria atambatra ao le C sy D… de lasa zany tam'le mini-bus … mbola tsy teo le examinateur fa miandry ery am'le fekarana tsimbazaza lery (demarrage en cote am'le mini-bus no tin'lery hamandriana ahy) … mandrapahatonga teo am'le fekarana d'efa nentiko le mini-bus miaraka am'le tompony … de hoziz le tompony we: aza mandeha mafy hoziz fa lery io tsy mirevy mandeha mafy refa mini-bus … oki hoziz za … niditra am'zay le examinateur de alefa hoziz … nandeha kely 50m de nasain'lery naka sisiny de vo.noy ny moteur hoziz … de aveo demarrage en cote am'le mini-bus de tsisy olana … de nentiko moramora le izy am'le fekarana … de hoziz ndray lery mantsy ahy: ary enao tia mandeha miadana an, zany ve no hataonao raha mitondra taxi-be tsy himenomenona ny voyageur??? … fa tonga de no-ronflé-ko ndray le mini-bus no lasa za nandeha mafy… de nony handalo eo am'le arret aty ambony tsimbazaza de hoziz za we: misy miala ve oooo???? sady naka ligne am'le arret za de hoziz lery: ajanony ery ambony ery de ôk'zay lollll

fa notantaraiko an'le olona tao am'auto-ecole we le examinateur iny wa ohatra mila vaniny zany … fa hoziz ny tao am'auto-ecole we: lery iny mihitsy no maramara fisainana de mitady zay hampikatso ny mpianatra fôna hono

taty aorina azoko ny permis de hitako teny andalana le examinateur de mitsiky be tamiko de nitsiky koa za … de izy miandry bus za mandalo am'tômabil eo … de mody ni-ralentir za ohatra le we hitondra azy zany ee… de nijanona mihitsy moa za ngamba 30m an'le arret misy an'lery … de vao nahita ahy nijanona lery de nihazakazaka we hiaraka amiko fa refa tonga 3m ny fiara de lasa za (lollll je sais c'est pas drole lolll) … fa lery sady tsy nandeha tamiko no efa lasa le bus tokony nandehanany de lery seul ndray no teo am'arret klo lolll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 16 septembre 2010 – 08:44

ity koa misy anecdote anakiray: tam'za nitondra tômabil tsisy frein a main lollll

4L namboarina le izy zany de adinon'le mecano nametaka le frein à main – naterin'le mecano teo atokotany le izy de lasa izy – de za zany mba we aleo fa ampidiriko ao am'garage
le garage am'io zany somary fiakarana miditra ao anatin'le izy … de le izy koa trano namboarina ka sady tranon'akoho ny eo akaikiny no garage le izy… ny blem zany de raha mandeha mafy ka tsy mahay mi-controle accelerateur de midona am'fond an'le garage de gorobaka le tranon'akoho lollll

za am'io tsy kôpy we tsisy frein a main le 4L sady tsy zatra le tomabil kelikely za zany eee… le ngezangeza be velarana sns reny no fitondrako … de vao niditra tam'le 4L de ohatra kely be le tomabil sady maivana be zany de ohatra mora mandeha mafy

novelomina de we tonga de marche arriere miakatra de ao am'le garage … de am'le maivana le tômabil de tsy haiko ny mi-jauge le heriny de mataotra za am'le marche arriere we sao mamantana ao am'le tranon'akoho lolll… de nalefako tsimoramora klo de tonga eo am'le fekarana am'zay de teo vao hitako we tsisy frein à main le tomabil satria saika hisitona za … voatery tsy maintsy mi-jongle frein sy accelerateur zany nefa am'io le herin'le tômabil tsy mbola haiko tsara … fa teo teo teo … ngamba 20 min nandramako le marche arriere sady milalao frein sy accelerateur fa tsy nety mihitsy … ny hatsemboana am'io efa ohatr'inn… farany de niverina teo am'le tokotany mihitsy klo za de naka aina de navadiko ny lohan'le izy de naleoko ny lohany no nampidiriko fa grave be le izy
na ny antony we ny vo.diny no saika ampidirina de satria am'zay tonga de position depart de miodina de mivôka ny vavahady… fa raha ny lohany ny ao de tsy maintsy manao manoeuvre be vao tafavôka ny vavahady
fa niomeh rery za tam'zay klo … sou fa tsisy nahita fa afabaraka teo raha nisy nahita lollll

taty aorina de nianatra tsara le mi-jongle accelerateur sy frein de mba mahay tsy mila frein a main tsony … ohatra le demarrage en cote am'embouteillage reny

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 17 septembre 2010 – 15:18

tsy mahay >>> aza kivy am'reo fa tokony andalovana reo de akana lesona de mahay wazy aveo

tadidiko koa ny ahy ny nitondrako 4×4 voalohany
classe de terminal zahay de le namako zany manana 4×4 zareo de andeha hanao visite medical alohan'ny Bacc – de lery no nitondra tam'1° de naka parking de natao ny visite sns sady mampiresaka jôba ihany satria bdb olona tsy fantatra tam'le visite

vita am'zay ny visite de hoziz za mantsy le akamako we: aleo rangah hoentiko le vam fa misy sipa mba tiko hi-zestiavana we mahay mitondra vam na 4×4 aza lolll
hoziz le akamako we: elah ngah efa nitondra 4×4 le???
tsy koi wa io fa ohatra ny vam rehetra ihany fa aleo entiko
sur elah fa hain'lah io an? raha manin manin eo ange de elah no entiko any am'rabainay ee
tsy koi wa io fa calme elah
de naka place ny tena de nojerena tsara daolo ny embrayage sns – le sipa am'io mijery tsara we tena capable tokoa ve lety sa tsia
novelomina klo de velona – de somary ronflé-na kely vroummm vroummm (io le miantso we aty jerena lolll) – natsofoka ny marche arriere de ohatra ni-saute kely le vam – hay le embrayge ambony be, le boite de vitesse hay le boite courte – fa nanomboka teratsemboka am'zay ary ny tenanay lollll
wainn be nefa raha hiala teo satria ny olona rehetra efa mijery aty daolo fa de tsy maintsy tohizana hatram'farany ity zany eeee
natsofoka ny 1° – de avotsotra tsimoramora ny embrayage de acceleré-na tsimoramora fa nanomboka nimemeh ny mpijery rehetra lollll
lagilagy am'le we imehezan'olona ary ny tena fa tonga de navotsotra ny embrayage de no-acceleré-na fa tonga de nitrifana be le 4×4
de vao diladila le toerana (tsisy mahita tsony) de mody ni-ronfle ndray klo we tena mbola ato zahay eeee
vao tsy nisy nahita de tonga de hoziz za tam'le akama we: io ento am'zay lolllll

moralité: aza be zesta refa tsy voafehy fa teratsemboka am'tsisy dikany lolll

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Par: bainah
Date: 19 octobre 2010 – 16:48

ny tena mahatonga blocage refa mitondra fiara na moto dia ny resaka confiance en soi.
vao tsy matoky tena enao dia matahotra dia tsy sahy fa aleonao mihainohaino eo.
ka zao no mba conseil-ko: mananà confiance am'tenanao enao – refa we vitanao dia vitanao ny mitondra azy fa tsy we le mitondra vitako ihany fa le embouteillage no atahorako sns

de zao koa no conseil-ko manaraka: raha vao manomboka dia aza mitondra olona mihitsy… fa matetika le olona entinao (vadinao na sipanao na havana hafa) mba antenainao hanome courage sns ndray no matetika manatsatso sy manome lagy ary maha-nerveux … indrindra moa le vao mba misy erreur kely (oh: adino nandefa clignotant sns) … nefa izy aza mety tsy mahay akoriny lolll

zay fa bon courage daolo zay mbola misalasala eee
quand on veut, on peut 🙂

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *