Raha eto Madagascar dia tsy maintsy feno 1 taona farafahakeliny ny "contrat d'abonnement" amin'ny FAI iray vao afaka mieritreritra hiala ianao client. Ary tsy maintsy manao taratasy fangatahana 3 volana mialoha vao eken'zareo ilay izy. N'iza n'iza FAI fa mitovy amin'io daholo ny condition.
Raha tara (fialana) enao amin'ilay fotoana mahafeno heritaona ny contrat dia mitohy heritaona indray aloha iny contrat iny ary afaka heritaona indray enao vao afaka miala.
Ity misy fika azo atao raha tehiala mialoha.
Zavatra nahazo ahy izy ity ka azo ataonao ihany koa raha ohatra ka ilaina. …
Zao ilay tantara:
Nanao abonnement tamin'ny FAI iray za tamin'ny mois de Mars 2010. Natao ny contrat, naloha ny frais d'installation, napetraka ny caution de garantie, napetaka ny materiels (ilay BLR ireny ilay izy), mandeha ny connexion tao antrano.
Ny produit tokony nanaovako contrat dia produit azo entina mandendeha erak'i Tana, fa lany ilay materiel dia nataon'zareo an'ilay materiel BLR (antenne ao amin'ny tafo + boitier) dia rehefa mahatonga ilay materiel azo entina mandendeha indray hono zareo dia soloina ny installation-ko.
Nandeha tsara ilay izy fa toy ny FAI rehetra eto Madagascar dia tsy ilaozan'izay tapatapaka lava, milona sns ilay izy.
Taty aorina anefa dia nifindra trano zahay. Nandefa mail tany amin'ilay FAI za hoe hifindra trano ka tokony afindra koa ny materiels.
Nieritreritra aho hoe esorina fotsiny ireo fitaovana dia apetaka any amin'ny trano vaovao dia vita. Gaga nefa aho fa lazain'zareo fa misy vola tokony haloha (frais de transfert) hono raha hifindra trano: 300.000Ar ilay izy.
Nandefasako mail indray hoe: ngah tsy produit tokony azo entina mandendeha no namidinareo tamiko? dia maninona no tokony handoa vola za raha hitondra le izy mifindra toerana?
Tsotra ny valinteny: misy frais daholo ny service annexe ka ny transfert de lieu dia isany service annexe. Anaovana test aloha ny toerana vaovao ka raha validé hoe mety dia mandoa 300.000Ar ianao amin'ny transfert. Raha tsy mety dia tsy mandoa vola enao.
Eny ary hoy aho fa ataovy ny test-nareo dia hitantsika eo – Za efa plus ou moins sur fa tsy handeha ilay izy satria somary latsaka ambany ilay toerana vaovao ka sarotsarotra ny ahitan'ilay antenne BLR relais.
Natao ary ny test dia io fa tsy nety mihitsy. Natao avo be ilay antenne fa eee tsy nety e. Conclusion: tsy mety ao amin'ilay trano vaovao ny BLR donc tsy mandoa 300.000Ar zany.
Nesoriko ilay antenne BLR sy ilay boitier tao amin'ilay trano taloha dia nentiko tany amin'ilay FAI hoe: hanatitra ireto materiels ireto fa tsy mety any amiko intsony dia hi-resilié contrat koa aho satria mety amiko intsony ilay produit-nareo.
Efa saika tsy nety hanao ilay resiliation fa hoe soloina produit vaovao indray. Dia za no tsy nety fa hoziz za hoe: Resilié-na aloha ny contrat dia avereno ny caution dia hitako eo ihany après hoe mazoto amin'ilay produit-nareo hafa ve za.
3 jours taty aorina dia vita ny resiliation contrat ary niverina ny caution.
Conclusion:
Contrat tsy naharitra 1 taona fa 4 mois dia afaka niala. Tsy nandoa penalité sns
Io zany ilay fika tiko lazaina e: raha tehiala dia manaova certificat de residence any amin'ny toerana sur fa tsy mety amin'ilay produit dia lazao hoe mifindra trano zahay ka ataovy ny test raha mety na tsia ilay izy.
Raha ilay produit mampiasa BLR dia toerana tsy mahita relais tadiavina.
Raha ilay produit mampiasa ligne telephone dia toerana tsisy fil sy poteau telephone tadiavina.
Rehefa vita ny test ary tena tsy mety dia miteny hoe: hanao resiliation contrat 🙂